<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>David RATOVO/ Landy RABENIRAINY</author>
<hymn_number>1</hymn_number>
<title>ANDRIAMANITRA O! RAINAY ASAFA1</title>
<lyrics>[V1]
 Andriamanitra ô ! Rainay
 Ianao no isaoranay
 Nomba anay hatramin'izay
 Sy namonjy, sy namonjy ny ainay
 Ny fiderana no entinay
 Maneho ny hafalianay.

[V2]
 Fa ny tena fifaliana
 Dia ny hazo fijaliana
 Nihantonan'Ilay Tompo
 Zay nanaiky ho Mpanompo
 Io no hatsangana ho faneva
 Sy hotorina hatraiza hatraiza

[V3]
 Raiso re ny vavakay
 Izay asandratray anio
 Mba henoy sy valio
 Hamafiso ny finoana
 Ato anaty tsy hirona
 Ary tsy hangaihay</lyrics>
</song>